Andavanandro tsotran'ny volana mey ao amin'ny Prieuré St Thomas, Epernon
Efa nandalo tokoa ingahy mpanao mofo. Manentoento eran'ny lalantsara ery ny mofo vao sy kafe.
Ireo mpanaraina dia tonga misakafo maraina: ao ny mpivahiny iray manohy ny lalan’ny St Jacques, ao koa ny mpandraharaha iray izay miasa amin’ny orinasa tsy lavitra eto, ao ireo Soeurs du Christ, fa etsy an-daniny koa ireo mpianatra manao famerenana manomana fanadinana, ary farany ny katekista iray izay manao fietahana masina miaraka amin’ny fitantanana manokana.
Tonga ny aomoneria iray miaraka amin’ireo mpandray ny sakramentan’ny fankaherezana. Nangataka tamin-dry masera izy ireo hitantatara aminy ny fomba niantsoan’Andriamanitra azy ireo manokana ho relijiozy. Ary androany maraina dia tonga naira-nivavaka tamin’ny ankohonam-piaiananay izy ireo. Izahay Soeurs du Christ dia mivavaka ho an’ireo rehetra izay tonga rehetra ato amin’ny Prieuré izay mitady an’Andriamanitra ao anaty fiadanana sy fialan-tsasatra, ary mivavaka miaraka amin’izy ireo koa. Taorian’ny vavaka dia niandry ireo mpiomana handray ny sakramentan’ny fankaherezana ny sakafo maraina izay tena fy tokoa.

Mifandamina araka ny sokajiny avy ny mpiara-miasa eto an-toerana : ny fandiovana, ny fikarakarana sakafo…mba ho fitsinjovana ny soa ho an’ny be sy ny maro. Ary torak’izany koa ny olona manolo-tena handray an-kafaliana amin’ny alalan’ny fifandraisana an-tariby sy ireo rehetra tonga hiantrano eto aminay.
Mandritra ny fakan-drivotra kely dia indreo ireo tanora mifaly ao anatin’ny saha, ireo mpianatra kosa misotro kafe rehefa avy niasa ora maromaro. Ary farany, dia injany ny kotaban’ny lovia sy sotro manambara fa fotoana fanomanana ny latabatra fisakafoana : olona 45 etsy, 7 ery, olona iray misakafo mangina sy mitokana, mbola misy 15 ery ho ery. Mandritra ny sakafo, tapitra tanteraka ny firity ovy : « Misaotra indrindra ireo mpahandro »
Ny tolak’andro indray dia miandry ny fahatongavan’ireo mpiofana PHR (Personnalité, Relations Humaines) izay hijanona eto mandritra ny 5 andro. Ery anaty saha, ireo akanjo fotsy lavan’ny pretra dia miavaka indrindra ao anatin’ny maitson’ny voahary. Tonga ny fotoanan’ny fandraisana sakramentan’ny fampihavanana. Ireo gisa dia kosa etsy an-kilany dia mampianatra ny zanany milomano ao anaty riandrano kely tsy mifanalavitra eo. Hisidina tokoa mantsy izy ireo rahampitso ! Mitovitovy amin’izany ireo tanora izay handray ny sakramentan’ny fankaherezana.
Eo amin’ny fandraisan’olona, nisy mpivahiny tonga tampoka tsy nampandre mialoha ! Tsy misy efitrano vonona ho azy, nefa atao ahoana moa no tsy handray olona te-hiantrano izay mbola andeha an-tongotra hanohy hivahiny ho any Compostelle ? Inona ary ny vahaolana?
Ireo masera sy ny mpikambana ao amin’ny fanetsiketsehana ny lafiny ara-panahy mandritra izany dia efa mihevitra sahady ny zavatra atao ny faran’ny herinandro manaraka. Hisy pretra Jésuite iray mpandalina manokana ny Baiboly hanome fiofanana mikasika ny Mpaminany. Noho izany dia hisy olona 20 andrasana koa avy any amin’ny diosezin’i Paris. Ny aomoneria kosa dia hiainga androany hariva. Ary noho izany dia tsy maintsy diovina malaky ny efitrano sy ny trano rehetra rahampitso.
Tamin’ny 6 ora sy sasany hariva, i mompera Michel Bouaye, pretra tompom-paritany dia nanao ny Sorona Masina paroasialy teto aminay. Fotoana fisaorana an’Andriamanitra amin’ireo soa sarobidy rehetra nomeny androany. Mandritra izany sorona masina izany no hamakianay ny vavaka ankinin’ireo mpianatra aminay.
Misy ny tanora manontany anay hoe : « Fa maninona tokoa moa izany ianareo masera no mipetraka eto amin’ity ankohonam-piainana ity?” « Satria Andriamanitra no tompon’ity trano ity, ary izy no tompon’ny fiainanay. Mitoetra eto an’ivonay izy. Ary ny olona rehetra koa dia mitoetra ao aminy”
Michèle Marchant,
Sœur du Christ, Prieuré St Thomas.
