2019 Voavoan'i (MADAGASIKARA)

Samy ao anatin’ny Paroasy Masindahy Josefa Mahamasina avokoa na ny Kaominote Provinsialy na ny Kaominote Mandray olona Amparibe.

Mankalaza ny 150 taonany ny Paroasy ka nanao fivahinianana miaraka ny Kristianina tany Ambiatibe, izay toerana naha Martiry an’i Masindahy Jacques Berthieu SJ ny 24 marsa 2019 lasa teo.

Anarivony maro ny Kristianina tonga tamin’izany izay nanaovana ny Lalan’ny Hazofijaliana miaraka amin’i Jacques Berthieu izay mifanindran-dalana tamin’ny an’i Jesoa, ny Raozery ary ny Sorona Masina no namaranana ny fotoana tamin’izany.

>> REUNION DES RESPONSABLES DE TOUTES LES COMMISSIONS DE LA PROVINCE MALAGASY

Nivory niaraka tamin’ny Filankevitra Provinsialy ny Tompon’andraikitra isaky ny Vaomiera tsirairay ato anatin’ny Provinsy Malagasy tamin’ny 03 avrily 2019 teo : Fanabeazana, fampivoarana, Pastoraly, Asa fanompoana ny Ankohonam-piainana, ny Fiofanana mba hamaritra ny vinam-panabeazana iombonana ho tondro zotra amin’ny fanatanterahana ny asam-panirahana :

- MIJORO
– MIZARA
– MIFANKATIA.
