FRANTSA : Masera Denise 'Tsy tiako ny rindrina...' — Malagasy

Aller au contenu. | Aller à la navigation

Outils personnels

FRANTSA : Masera Denise 'Tsy tiako ny rindrina...'

Niampita io tetezana io i Denise. Miandry anay any ampita izy izao handihy. Misaotra masera Denise!

Tsy tiako ny rindrina, hoy ny papa,
aleoko ny tetezana.

Tsy tiako ny rindrim-bato na vita simenitra.
Fantatra fa hianjera izy ireny toy ny tany Berlin fahiny.

Halako ny tamboho sy ny fefy rehetra

Famantaran’ny fankahalana , ny tahotra sy ny fisaraham-bazana ireny.

Aleoko ny tetezana sy ny dingan-davany goavana.

Itsambikinany ny onja, ampifandraisiny ny tany.

Tiako ny fiolahana malefaky ny atsasam-paribolany.

Mamoha ny erana sy manome toerana ireo mpifindrafindra monina ny tetezana.

 

Tsy tiako ny rindrina, ny lavaka,  ny hadivory,

Mamefy antsika amin’ny lafiny rehetra ireny, manidy ny fifandirantsika.

Voaloton’ny ra sy ny fitomaniana ireny.

« Mijanona amin’izay misy anareo » izay no vaholany !

Aleoko ny tetezana miatrika ny olana,

Ataony tsambikin-tokana ireo ranotrambo.

Tiako ny tetezana toy ny an’i Avignon,

Izay ihirana,andihizana sy anaovana fari-bolana

 

Ao amintsika ny fonja, ao amintsika ny sakana.

Fa raha mitsotra ny tanantsika, toy ny tetezan’ny fahazavana,

Mamafa ny fahadisoantsika sy manohy indray ny fihavanana,

Miray hina amin’ny famafazana ho an’ny fotoam-pijinjana ho avy.

                        Eo amin’ny tetezan’i Tamise,

                        Ny anglisy amin’ny akanjo somizo

                        Tsy sasatra mamerimberina :

                        Sur le pont d’Avignon on y danse on y danse

                        Sur le pont d’Avignon on y danse tout en rond.

                        Na koa hoe

                        Sur le pont de Nantes un bal y est donné

                        Sur le pont de Nantes un bal y est donné

                                   Anjarantsika izao ny mandihy  !!!              

Masera Denise METIVIER (FRANTSA)