Toy ny fitombon’ ny hafaliana rehefa zaraina !
Toy ny fitombon’ ny hafaliana rehefa zaraina !
6 Aogositra, fetin'ny fiovantarehin'i Kristy. Vao mainka mamirapiratra izany zava-nitranga izany rehefa raisintsika, mandritra ny tantarantsika, ho toy ny fetin'ny Fikambanana!

6 Aogositra 2025: Asaina isika hifaly amin'ny fanombohan'ny Taon-jobily. Satria mitombo ny hafaliana rehefa zaraina, izahay ankohonam-piainana telo eto Bretagne dia mivory ao Merdrignac.

11 ora maraina: fiangonan roa no mihaona amin’ny fivoriambenay ho an'ny Eokaristia, ary koa i Jacques Brajeul, talen'ny trano fitaizana be antitra sy masera Pascale, izay tonga ny andro talohan'io. Pacôme, pretra avy any Bénin, nisolo ny pretranay tao amin'ny paroasy izay any amin'ny fialantsasatra, dia naka fotoana namakiana ny "Naître et renaitre" mba hiroboka ao amin'ny tantaran-dry maseran’i kristy. Tsapanay fa voakasiky ny lalana ara-panahy izy.
Tsotra sady fety ny sakafo, ny rivo-piainana milamina ao anatin'izany ny fotoana matotra izay mampahita ny toerana izay ifotoran’ny fiantsoa ny masera iray indraindray...
Ity andro ity dia fotoana iray hanitarana ny tranolaintsika, hahatsapantsika ho anisan'ny Vatana iray ihany, misokatra ho an'ireo manodidina antsika.
« Aoka isika hanome voninahitra an'Andriamanitsika, Izay nanao fahagagana; Eo amintsika Izy ankehitriny ary mandrakizay. »
