27 desambra 2025, TSY AMPY NY ANDRO IRAY MBA HIAINA FOTOANA MIAVAKA — Malagasy

Aller au contenu. | Aller à la navigation

Outils personnels

27 desambra 2025, TSY AMPY NY ANDRO IRAY MBA HIAINA FOTOANA MIAVAKA

27 DESAMBRA 2025! TSY AMPY NY ANDRO IRAY MBA HIAINA FOTOANA MIAVAKA

Ny maseran’i Kristy ao amin'ny faritra AURA, 'Auvergne-Rhône-Alpes', dia hahatsiaro ela ny fidirana amin'ny Taon- Jobily faha-50 taonany amin'ny 27 desambra 2025!

Tsy ampy ny andro iray mba hiaina fotoana miavaka ho an'ny tsirairay amin'ireo rahavavy 35 ao amin'ny faritra: ary nandritra ny telo koa izany:

Ny 26 desambra tao amin'ny trano fitaizana beantitra an’ny Saint Germain tao La Tronche (Isère) dia nisy lamesa fety nampivondrona ireo rahavavy 6 tao an-trano sy ireo rahavavy 4 tao Grenoble miampy ny mponina, izay nanasongadin'i Mompera Devers ny maha-zava-dehibe ny fijoroana ho vavolombelona nataon'ireo Maseran'i Kristy ary nandrisika azy ireo tamin'ny fihetsehan'ny fiainana maha relijiozy sy ny fanantenan’  ny fiombonana,  fandriampahalemana sy fampihavanana eo amin'ny fiainana andavanandro.

 

Ny fanoloran-tenantsika hiaina firahalahiana ao anatin'ny fahasamihafana ary ny fahasahiana araka ny evanjely sahy handray lalana vaovao ho valin'ny antson'ny Fanahy.

 

 

 

 

 

 

Ny tolakandro , nisy fankalazana iray nampahatsiahy ny maha-zava-dehibe ny tsy fivadihana amin'ny tantarantsika, ny fanoloran-tenantsika hiaina firahalahiana ao anatin'ny fahasamihafana ary ny fahasahiana araka ny evanjely sahy handray lalana vaovao ho valin'ny antson'ny Fanahy. 

 

Ny 27 desambra tao Retournac, ny rahavavy rehetra ao amin'ny ankohonam-piainana 6 sy ny Mpiara-miombona antoka amin'ny vondrona Lyon (37 ny fitambarany) dia faly sy mientanentana hiaina ity fotoana fahatsiarovana firahalahiana ity ary koa ny tosika ho an'ny ampitso. Ny lamesa fety no fanehoana izany ... Saingy tsy misy fety tsy misy fitiavana am-pirahalahiana izay misy fifanakalozana, hira, dihy ao amin'ny fandaharana! Ny fandraisana dia toy izany ka ireo izay tsy afaka niverina tany Lyon na Grenoble dia nahita fandraisam-bahiny tao amin'ny alina! 

Tamin'ny 28 Desambra, teny an-dalana ho any Saint Sigolène mba hiara-hiaina amin'ireo rahavavy ao amin'ny trano fitaizana be antitra, ny fankalazana mitovy tany Saint Germain izay nahafahanay nandre indray ny antso avy amin'ny Rahavavy Thérèse de Larminat, Lehibe Jeneraly voalohany! Fihetseham-po manao ahoana izany! Fa ny traikefa mitovy amin'izany ihany koa... firahalahiana, mifarana tamin'ny sakafo maivana mendrika ny fetin'i Babeth!

…NY MAHA-ZAVA-DEHIBE NY FIJOROANA HO VAVOLOMBELONA NATAON'IREO MASERAN’I KRISTY ARY NANOSIKA AZY IREO TAMIN'NY FIHETSEHAN'NY FIAINANA MAHA RELIJIOZY SY NY FANANTENANA NY FIOMBONANA, NY FANDRIAMPAHALEMANA ARY NY FAMPIHAVANANA EO AMIN'NY FIAINANA ANDAVANANDRO.

 

Sœur Mireille Lantrade