Fankalazana ny fahazato taonan'i masera Susanna Testa, Italiana — Malagasy

Aller au contenu. | Aller à la navigation

Outils personnels

Fankalazana ny fahazato taonan'i masera Susanna Testa, Italiana

dia nankalazaina tao amin'ny Lamesa tao amin'ny paroasy Santa Maria Intemerata ny faha-100 taona nahaterahan'ny

100 taona sy 82 taona ny maha relijiozy an’i masera Susanna Testa. Antin’izany dia vahoaka marobe no nandray anjara ho mariky ny fankasitrahana sy ny fitiavana…

Masera zato taona any Italia!

MASERA SUSANNA DIA MIAINANA FIAINANA MISIONERAN’NY FIVAVAHANA, FIZARANA, FISOKAFANA ARY FIFANTOHANA AMIN’NY ZAVA-MITRANGA REHETRA IZAY MAHAKASIKA NY FIKAMBANANA, NY FIANGONANA ARY IZAO TONTOLO IZAO.

 

    

 

 

 

 

 

 

 

 Tao Lariano (Latium) ny alahady 22 septambra, dia nankalazaina ny faha 100 taona nahaterahan’i masera Susanna Testa tamin’ny lamesan’ny paroasy tamin’ny 11:30, lamesa nentanin’ireo antokom-pihira ary tao antin’izany dia vahoaka marobe no nandray anjara ho mariky ny fankasitrahana sy ny fitiavana an’i  masera Susanna Testa izay nanorina ny  ankohonam-piainana ao Lariano tamin'ny 1980.

 

 

 

"NY TOMPO ANIE HO EO ANILANAO MANDRAKARIVA, HIHAINO NY NOFINOFINAO SY, HITAHY AZY IREO AO AMIN' NY HATSARAM- PONY TSY MISY FETRA."  

         
                  
                              
Ny sakafo natao tamin'ny 1 ora tolakandro tao amin'ny efitrano vaovaon'ny paroasy, lahateny, fifanakalozana maro, tsodrano, hira ary mofomamim’ ny faha-100 taona dia niteraka tontolo feno fifaliana sy firahalahiana.
 

 

100 taona sy 82 taona ny maha relijiozy nandritra izany no niainany tamim-pirahalahiana sy mandraka androany! fiainana misioneran’ ny fivavahana, fizarana, fisokafana ary fifantohana amin'ny zava-mitranga rehetra izay mahakasika ny Fikambanana, ny Fiangonana ary izao tontolo izao.

 

"100 taona sy 82 taona ny maha relijiozy: Tena mahatalanjona! Fijoroana ho vavolombelona izany!"

Joyeux anniversaire !