Mpanao jobily 4 tany Bretagne
Zava mitranga lehibe
Trangan-javatra lehibe nomanina nandritara ny fotoana ela tao Merdrignac, ankohonam-piainan- dry masera zoky : hankalaza ny fetin’izy 4 mpanao jobilin’ny fiainana maha relijiozy.
Tamin’ny 11 ora maraina, nandritry ny sorona masina fankalazana, masera Anne Marie sy Madeleine no nanavao ny voady taorian’ny 70 taona nanononana azy ! Masera Marie Etienne sy Christiane, taorian’ny 60 taona ny fiainana maha relijiozy azy ireo !

Tony ny rivom-piainana nefa koa hita taratra niaraka tamin’izany ny hafaliana lalina tao amin’ny mpiangona, fahagagana, fanehoana fankasitrahana ary fisaorana noho ny fijoroana ho vavolombelona momba ny fahatokisana izay naseho tamin'io andro io.
Tena fankalaza marina ! Izay nitohy tamin’ny sakafom-pety, naroson’ireo mpiasa ao amin’ny fitaizana ny be antitra, izay hafaliana, hehy, hira, dihy haneho izay mitoetra ao am-pon'ny tsirairay, fianakaviana, namana sy ny maseran'i Merdrignac ary ireo ankohonam-piainana manodidina.
FAHAGAGANA, FANEHOANA FANKASITRAHANA ARY FISAORANA NOHO IREO FIJOROANA HO VAVOLOMBELONA MOMBA NY FAHATOKISANA IZAY NASEHO TAMIN'IO ANDRO IO
Tany Bretagne……12 septambra 2024

