FRANTSA : Masera Marie Jo — Malagasy

Aller au contenu. | Aller à la navigation

Outils personnels

FRANTSA : Masera Marie Jo

Mampivondrona

Ny tsiambaratelon’ny ‘’ mahay antitra’’ ? mamoha ny fo amin’ny mahakasika an’izao tontolo izao … sy miditra amin’ny ‘’Fanatontoloan’’ ny fo …

Eny ! Mety foana na firy taona na firy taona, « na salama na marary », ny mahita toerana aiza no iainana feno ny maha Soeur du Christ !

Ny ACAT(vondron’olona miady amin’ny fiarovana ny zon’olona) nanome ahy toerana hidirana mba hamaly ny faniriana mba hiaiana « ao amin’ny Fiangoanana Vahoakan’Andriamanitra  » « fiaraha-miasa miavaka sy mifameno  » amin’ny asam-panirahana izay nankinin’i Jesoa tamintsika

Azo atao mandrakariva  ny « mankany amin’ireo rahalahy izay hampiroboroboana ny dikan’ny fiaianana».

Ny azo tsapain -tànana :

* Ny taratasy avoakan’ny ACAT isam-bolana, izay mandalo amin’ny kôminôte,manampy ny fanahy sy ny fo hisokatra amin’izay zavatra vita, matetika anaty aloka mba « hamonjy ny olona rehetra sy ny olona manontolo »

* Ny taratasy alefa manerana izao tontolo izao mba hampahafantarana na hitakiana ny asan’ireo mpitondra amin’izay ahitana tranga tsy fanajana ny aina sy ny olona voaviravira.

* Ny fanohanana mifanaraka amin’ny tsirairay  (fiteny frantsay na anglisy ) olona voafonja voatazona amin’ny fanamelohana ho faty nandritra ny taona maro ary efa voafaritra ny fotoana hamonoana azy,ka mandefa any amin’izay uharan’izany hafatra mifono fiombonana…

* Ny fizaràna io asa io na dia bitika aza dia manampy ny kôminôte hanohana amin’ny vavaka…

 Eny, azo atao, 
      Na dia ho an’izay handray tsy ho ela ny fahazato taona-ny aza !

Masera Marie-Jo (Le Puy)