Andro fanofanana isan-taona ho an'ireo Maseran'i Kristy sy ny mpiara-miombon’antoka an’ i Chili — Malagasy

Aller au contenu. | Aller à la navigation

Outils personnels

Andro fanofanana isan-taona ho an'ireo Maseran'i Kristy sy ny mpiara-miombon’antoka an’ i Chili

Andro fanofanana isan-taona ho an'ireo Maseran'i Kristy sy ny mpiara-miombon’antoka

Tamin'ny Novambra 2025, nihaona ny Maseran’i Kristy sy ny Laika mpiara-miombon’antoka an’ i Chili mba hiaina ny fivoriana fanofanana isan-taona.

Nanomana lohahevitra fohy nefa lalina momba ny tantaran'ny Fikambanana ny rahavavy Mirella, mifototra tamin'ny boky manokan'ny Maseran'i Kristy ary mampifandray izany amin'ny faha-50 taonan'ny Fikambanana izay iainantsika amin'ny fahalianana sy fifaliana be.

Iza moa isika? Ahoana no nananganana ny Fikambanan'ny Maseran'i Kristy? Avy aiza no nahaterahan’ io hetsika io? Nasehon'i masera Mirella ny niandohan'ireo Fikambanana 7, ny dingana voalohany mankany amin'ny fanakaikezana eo amin'izy ireo, ireo daty manan-danja. Ary tsikelikely mankany amin'ny Fiombonana.

« Fivoriana iray izay nanamafy ny fanahintsika tamin'ny alalan'ny fanavaozana ny tosika hiaina sy hijoro ho vavolombelona amin'ny alalan'ny iraka ataontsika sy ny karisma. »

 

 

Nofintininy ihany koa ny faha-50 taonan'ny maseran’i kristy. Tamin'ny fiafaran'ny famelabelarany dia nanasa ireo rahavavy sy mpiara-miombona antoka izy mba hizara  amin'ny vondrona ny hoe: Inona no hevitrao momba ilay lohahevitra? Inona no nanohina anao indrindra? Nasaina ireo mpandray anjara mba hizara ny fahatsapany amin'ny alalan'ny vondrona.

« FIVORIANA TENA MANAN-DANJA TOKOA IZANY, IZAY VOAMARIKY NY FIFALIANA TAMIN'NY FANKALAZANA NY FAHA-50 TAONAN'NY FIKAMBANANTSIKA. »

 

 

Faly sy talanjona ny olona tamin'ny tantaran'ny Fikambanana.

Ny ray am-panahy Pablo Arteaga dia nanolotra antsika toerana sarobidy ho an'ny fandinihana sy ny fiofanana: Inona no atao hoe Jobily? Nahaliana ny lohahevitra nataony ary tena mavitrika ny fomba nanolorany azy.

 

 

 

 

 

 

Nifarana tamin'ny Eokaristia nankalazain'i Mompera Sergio Candia, izay mpikambana ao amin'ny “Verbe Divin” ihany koa ny fivoriana. Nanavao ny fanoloran-tenany tamin'ny fanomezam-pahasoavan'ireo maseran’ i Kristy nandritra ny Eokaristia ireo mpiara-miombona antoka.

 

Tena nanan-danja tokoa ny fivoriana, voamariky ny hafalian’ ny nankalaza ny faha - 50 taonan'ny fikambanatsika. Fivoriana izay nanamafy ny fanahinay tamin'ny alalan'ny fanavaozana ny tosika hiaina sy hijoro ho vavolombelona amin'ny alalan'ny iraka ataontsika sy ny karisma. Namarana ny fivoriana tamin'ny sakafo maivana am-pirahalahiana sy nizara tamim-pifaliana izahay.

« MISAOTRA NY TOMPO IZAHAY NOHO ITY DIA IOMBONANA ITY, NOHO NY KARISMA IZAY MAMPIRAY ANTSIKA ARY NOHO NY ASA IZAY MANOHY MANORINA AMIN'NY FANANTENANA. »

 

Délégation du Chili