VAOMIERAN'NY FAMPIANARANA SY FANABEAZANA ETO MADAGASCAR
Araka izany anarany izany moa dia ity fiofanana ity dia misy isan-taona maba hanampiana ireo miana-draharaha ao amin’ny seahtry ny fanabezana sy fampianarana satria ny fampiofanana ny mpampianatra ao amin’ny fampianarana tsy tantanan’ny fanjakana dia tsy iandraiketany mihitsy. Tsy maintsy izany izahay manomfanaeo am-perin’asa. Mandritry ny 10 andro dia atao izay ahitan’ny mpiofana ny fampiatana ny taranja rehetra ao amin’ny fanabeazana fototra. Ny ao amin’ny ambaratonga faharoa kosa dia araka izay ilain’ny mpiofana ihany. Ankoatran’ny fampiatana ny taranja dia misy ny fomba fitantanana ny kilasy amin’ny ankapobeny, ao koa ny psykolojia ny zaza sy ny zatovo “adolescent”. Ny tanjona dia mba tsy andeha tanam-polo, na tsy hana-kevitra mihitsy any an-dakilasy ireo mpiana-draharaha. Ny tohin’ny fiofanana dia amin’ny alalan’ny tan-tsoroka sy ny fanarahana any an-toerana ataon’I Soeurs Marie Luc sy Marielle.

Fiofanana momba ny fifandraisana mahomby, nomen’ireo Ekipa avy ao amin’ny « entre d’Education permanente des Adultes » (CEPA) arak’i GORDON, ny 7, 8, 9, septambra 2013 tao Antsirabe izay navory masera miasa amin’ny sehatry ny fampianarana sy fanabeazana 48, eto amin’ny Provinsy Malagasy.
Ny fampianarana fianarana dia fifamalianasa sy fifandraisana maharitra eo amin’ny mpampianatra sy ny mpianatra. Koa mba hanatsarana ny fifandraisana sy ny fiaraha-miasan’ ny mpampianatra samy mpampianatra, ny mpampianatra sy ny ray aman-dreny, ny mpampianatra sy ny mpianatra, dia natao ity fiofanana momba ny fifandraisana mahomby araka GORDON ity. Ny tanjona manokan’ity fomba ity dia mampivelatra fihetsika mahomby, ary mahafehy ny tetika amam-paika izay manampy haneho ny filan’ny tena sy ny soatoavina ary hanatsara ny fifandraisana amin’ny olona manodidina.
Sœur Marie Luc
