FRANTSA : Masera Pascale — Malagasy

Aller au contenu. | Aller à la navigation

Outils personnels

FRANTSA : Masera Pascale

Masera Pascale : Irahina miaraka amina ekipa ho an’ny toeram-pitsaboana faritry

toy ny ‘’tady mampifandray’’

Irahina miaraka amina ekipa ho an’ny toeram-pitsaboana faritry Paris

Mihasarotra ho an’ny fianakaviana na ny havana ny mijanona eo amin’ireo marary aty amin’ny toeram-pitsaboana :fisaraham-bazana eo amin’ny mpianakavy, noho ny asa sy ny faharerahana, hany ka mitoetra lavitra ny olona marary ny fianakaviana. Fanampin’izay ny maha irery ireo marary vahiny na mpitsoa-ponenana noho ny antony ara-pôlitika.

 Miova ny fahitana ireo marary novangiana. Mihaona amina olona samihafa finoana na tsy mino koa, olona mahalala matetika ny kolon-tsaina kristianinana fa tsy mivavaka na tsy mino intsony. Ny fihaonana amin’ny aomaoneria dia matetika fotoana iray ahitana ny endrikin’ny Fiangoanan hafa : tsy ny olona no mandeha any amin’ny Finagonana fa ny Fiangonana no mankany amin’ny olona. 

Mahita trangam-piainana vaovao samihafan’ny olona isika  fa amin’izay misy fijaliana sy antso no tokony hamaliantsika ny fa misy isika  « Iza aho no hitsara ? hoy ny Papa Fransoa tao anaty fiaramanidina niverina avy any Rio de Janeiro Ny zava-misy amin’ny fiainana dia matetika tena sarotra ary ao amin’io fiainana io no anandramana « Fihaonana » miaraka amin’i Kristy. Ankehitriny i Kristy araka ny voalazan’i Md Matio tsy milaza amintsika : « Narary aho, tany an-tranomaizina, nitondra vohoka ara-himaso ara-panafody PMA[1] nomena tsirinaina vavy, nisakana vohoka tamin’ny fanafody IMG[2], olona tia olona mitovy taovam-pananahana amiko aho ary manam-bady, nisaraka ary manambady indray, vahiny tsy manan-taratasy, tsy manana fonenana maharitra SDF……  dia novangianareo aho ! » ?

Ary matetika rehefa tonga ao amin’ny hôpitaly miaraka amin’ny fahasahiranana, fisalasalana, havizanana ; ny fihaonana amin’ny marary dia manome fahavitrihana sy manova anay, « i Kristy no nihaonanay miaraka amin’ny faharefoany ary tonga izy hitondra Aina! ».

 

Miara-miasa amain’ireo mpiasan’ny hôpitaly, ny fiahiana dia toy ny ‘’tady mampifandray’’ ny marary samy marary, ny fianakaviana,  ny mpitsabo, ny fikambanana, ny paroasy... Fahasoavana ho an’ny ekipan’ny fiahiana ny fizarana ny famangiana ataonay, satria ny iraka ataonay dia tsy irery miaina azy fa miaraka sy ao amin’ny Fiangoanana.

Ny fivoriana isam-bolana no ahafahanay mifampizara ny Tenin’Andriamanitra, mametraka eo am-pelatanan’ny Ray ny asam-panirahany ao amin’ny Eokaristia, manao tombana ny firotsahanay sy mizara ny fotoana ialana voly : Manamafy ny fiombonana sy ny firaisan-kina aminay ireo rehetra ireo!

Masera Pascale, Mpiandraikitra ny fiahiana ny Toeram-pitsaboan