Androm-pifaliana lehibe io 7 aogositra 2025 io tao amin’ny ankohonam-piainan’i Polignac (Haute Loire)
Raha ny marina dia 100 taona anion y nahaterahan’i masera Marie-Josèphe GIBRIN
Efa hatry ny ela no nianrdasanay «ity fotoana sambatra ity», ary ny lohanay dia nisaina ny anatanterahana ny fisaorana zarain’ny rehetra.
Ireo freran’ny Fo Masin’i Jesoa(mpitantana ny EHPAD Paradis ao Espaly- tena akaiky ny ankohonam-piainanay) dia nandray any tamim-pirahalahiana isan’andro tamin’ny fankalazana ny Eokaristia.
Ny filazana an’ity faha zato taona ity dia nahafaly ny tsirairay. Ny Eokaristia dia hankalazaina ao amin’ny lasapely tena toetr’andro ; maro ireo pretra eo an-toerana sy ireo namana.
Ny lasapely any ambany rihana dia afaka mandray ireo mpino mahazatran’ an-trano, aty koa manodidina ny mpino telopolo. Ireo eo an-toerana, ry masera sy ireo namanay dia ho voaray tsara.
Ny sorona masina dia niarahan’ireo pretra 7 namanay nankalaza, nanjadray anjara ireo fianakaviana na olona tena akaikin’ny ankohonam-piainana ; Masera Dominique Marie Sert nisolotena an’i Retournac, masera Jeannine Ardaillon Ste Sigolène, Masera Odile Demur sy Masera Marie Thérèse Cuoq miala sasatra any amin’ny fianakaviana, ary masera Marie Aimée Magnier mpianatra taloha an’ i Marie Jo tao Soissons.


Ny lamesa manetriketrika dia tsotra nohon’ny fandaharam-potoan’ny EHPAD, ny sakafo… Nofidianany ho an’ity fotonana ity, ny lahatsoratra sy ny hira tian’i Marie Jo.
Efesiana 1 «Isaorana anie Andriamanitra, Rain'i Jesosy Kristy Tompontsika… »
Jn 15-12 «Tahaka ni itiavan’ny Raikoahy no itiavako anareo. Mitoera amin’ny fitiavako…»
Tamin’ny komonio « Omeo ahy fotsiny ny mitia anao… »
Ny toerana fiantsonana azo idirana sy efitrano fialamboly tsara, malalaka, misy varavarankely amin'ny lafiny roa ary misokatra mankany ivelany dia natokana ho antsika mba hizarana ny vera fisakaizana (mponina, vahiny, pretra, mpiasa...). Miankina amintsika ny hanaovana azy ho tena fety sy mahafinaritra.


Ny divaim-boninahitra amin'ny Rosé avy any amin'ny faritra, ny sakafo isan-karazany misy toasts, hena maina, biscuits, mofo voaravaka... legioma manta dia tena ankafizin'ny mpandray anjara.

Tamin'ny tsy fahafahan'ny Ben'ny Tanàna ao Polignac tonga, dia nanendry mpiasan'ny fanampiana tompon'andraikitra momba ny raharaha sosialy izay mahafantatra ny ankohonam-piainana dia haneho ny firarian'ny kaominina ary nanolotra boky kely momba an'i Polignac ho an'i masera Marie Jo.
Amin'ny fotoana voafaritra tsara, manaraka izany ny vahiny amin'ny sakafo dia manatona ny trano fisakafoanana IBIS.


Koa izahay dia olona 24 manodidina an'i Marie Jo, pretra sy rahalahy ao amin’ny Fo Masin’ i Jesoa, zanaky ny mpiraitampoa amin'i Marie Jo sy ny vadiny, mpiara-miombon’antoka -namana akaiky taloha avy any Bar-le-Duc-, mpivady naman’ny ankohonam-piainana, mipetraka amin'ny latabatra roa mifanakaiky; dia i Marie Jo no nandravona ny drafitra latabatra ary indrindra no nanamboatra ny marika toeran'ny tsirairay tamin'ny hosodoko sy tanana: asa tena lehibe feno fahamalinana fa indrindra feno fiheverana ho an'ny tsirairay.
Farany dia tonga ny fotoana hizara ny mofomamy fitsingerenan'ny andro nahaterahana izay namboarin'ny trano fisakafoanana, miaraka amin'ny labozia telo eo afovoany (100) izay hotsofin'i Marie Jo mora foana, arosony miaraka amin'ny divay famaohana izay natolotr'i Yves Gérard, pretra avy any Meuse izay namana efa ela.

100 taona
"Misaotra ny Tompo aho noho ny andro lava iainako miaraka Aminy."
"Misaotra eram-po an' ireo rehetra izay nijoro ho vavolombelon' ny fisakaizana tamiko aho."
Marie Jo
« Tahaka ni itiavan’ny Raikoahy no itiavako anareo. Mitoera amin’ny fitiavako… » (Jn 15, 12)

