Tsarahasina -Port-Berge — Malagasy

Aller au contenu. | Aller à la navigation

Outils personnels

Tsarahasina -Port-Berge

Sekoly Masindahy Etienne
Fampivoarana ara-plaraha-monina
Fitsidihana ambanivohitra

Sekoly Masindahy Etienne

Tamin’ny 13 septambra 2004 no nisokafan’ny Sekoly teto Tsarahasina, Port-Bergé. Niandraikitra azy teo am-boalohany ny Lahika iray antsoina hoe : “Mr. Parami Gissitophe”, mandra-pahatongan-dry Masera “Sœurs du Christ” tamin’ny 2011.


Nisy 52 ny fitambaran’ny isan’ny Mpianatra teo am-panombohana izany hoe : tamin’ny taona 2004, kilasy roa izy ireo tamin’izany. Amin’ity taona 2014 ity kosa dia efa misy Mpianatra 582.
Hatramin’ny 2004 ka hatramin’izao dia ao amin’ny trano voalohany no ianaran’ny Mpianatra ka io trano hitantsika eo amin’ny sary io no trano tranainy indrindra sisa tavela.
 

Efa vita tsara amin’izao fotoana izao ireo trano vaovao telo izay mitsinjara toy izao : efitrano 12 ho an’ny Ambaratonga Voalohany ka ny efitrano roa amin’ireo natokana ho an’ny Mpanabe (Trano faharoa naorina tamin’ny 2012 ary efitrano 10 ho an’ny Ambaratonga Faharoa ka efitrano iray ho an’ny Mpanabe ary ny efitra iray kosa tranom-boky (trano fahatelo naorina tamin’ny 2013), Trano fahefatra (naorina tamin’ny 2014).

 

1ère école.jpg

 

 

 

 

 

 

 

 

2004

école nouvelle.jpg

 

 

 

 

 

 

 

 

                         2014

Manofa trano avokoa ny ankamaroan’ireo Mpianatra ao amin’ny Ambaratonga Faharoa.
Nanao toeram-pisakafoanan’ny Mpianatra ny Mompera Tompon’andraikitra voalohany : Père Bertrand de Bourran ao anatin’izao telovolana izao (Janoary, Febroary, Marsa) hitsinjovana ny Mpianatra amin’ny fahasahiranana ka misy 50 mahery eo ho eo izy no mahazo tombontsoa amin’izany.
Ireo olana sedraina : - Firotsahana ao anatin’ny fanambadiana aloha loatra, ny fifikarana amin’ny fomba fivavahan-drazana. Noho izany, misy fiantraikany lehibe tokoa amin’ny fanabeazana.


Fampivoarana ara-plaraha-monina
Ramatoa iray avy ao amin’ny foko “Tsimihety” no mianatra ny fandidiana akanjo sy zaitra.
Mankany ambanivohitra izahay manome fiofanana ny olona sy ny fianakaviana izay liana handray izany. Ka nahazo tovolahy sy Raim-pianakaviana tamin’ny fiofanana. Eo amin’ny Distrika dia indroa isam-bolana no tonga izy ireo ary maharitra herinandro ny fiofanana.
Manoloana ireo olana sedrain’ny Vehivavy toy ny fampirafesana, ny fanambadiana aloha loatra, ny tsy fahampian’ny hoenti-manana amin’izany, sy ny maro hafa koa dia tsy misy mpikarakara ny ankizy.
Soeur Claudine sy Soeur Meltine no mandeha hatramin’ny 22km mba hanentanana ny olona, mampianatra ny olona manjaitra, manao lakozia, mampianatra sy manabe azy ary manoro hevitra hialana amin’ny fampirafesana sy ny tsy fandraisana andraikitra. Izany rehetra izany anefa dia tsy azo atao raha tsy amin’ny maina andro.

Fitsidihana ambanivohitra
Lasa Distrika i Tsarahasina hatramin’ny 2011. Izy no Distrika fahadimy ao anatin’ny Diosezy. Miara-miasa amin’ny Pretra roa sy Tanora miana-draharaha iray (Régent) amin’ity taona ity mba hahamora kokoa ny Fitoriana ny Vaovao Mahafaly.

photo-3bateau.jpg


Momba ny ara-geografia sy ara-tantara :
Misy Firaisana telo (Communes) ao anatin’ny Distrika ahitana mponina 61000. Mizara Fiadidiana telo, noho izany, misy Inspektera telo miara-miasa aminay. Ahitana velaran-tany 900km² eo ho eo. Hatrany avaratra ka hatrany atsimo mirefy 36km, misy ankohonana 26 (vondrom-pianakaviana).
Naorina tamin’ny taona 1929 ny Fiangonana tranainy indrindra, ary ny tanora indrindra tamin’ny 2013. Ny ankamaroan’ny mpino dia tsy mbola Kristianina, maro amin’izy ireo no efa eo an-dalana amin’izany.
Amin’ireo Katesista, 17 no vita Batemy ; 4 no nandray ny Sakramentan’ny Fanambadiana. Miomana amin’izany Sakramenta izany amin’izao fotoana izao ny 20 mahery eo ho eo.
Hatramin’ny nahatongavantsika tany tsy mbola nisy ny fandraisana Sakramentan’ny Fankaherezana. Manantena anefa izahay fa hisy amin’ity taona ity.
Manerana ny Distrika manontolo, maherin’ny 200 ny isan’ireo mpiomana amin’ny Sakramenta ka mianatra Katesizy hatramin’ny Olon-dehibe miomana amin’ny Batemy.
Mikasika ny zava-misy iainana eo amin’ny Asa fitoriana
Indroa isan-taona no mamangy ireo ankohonana ireo izahay. Manara-maso akaiky ihany koa ireo Sekoly efatra misy Ambaratonga Voalohany. Mandrindra fivoriana iray sy fiofanana iray isan-taona koa ho an’ireo Katesista sy Inspektera. Fihatahana Masina indray mandeha isaky ny ekipan’ny Katesista sy ny Mpampianatra Katesizy.

 Ireo olana sedraina
Tsy mifototra ao amin’i Kristy ny finoan’ny olona ka io indrindra no olana. Fanampin’izany, mbola tena manjaka ny fifikirana amin’ny fivavahan-drazana sy ny fomba amam-panao toy ny “TROMBA, KALANORO, MPIMASY”. Misy ihany koa ny Sekta izay mahasintona olona mora foana.
Na izany aza anefa, misy ny fanantenana tsikelikely satria eo ny fanabeazana any an-tsekoly.


Andro iray voatokana ho an’i Monseigneur Georges Varkey
Ny Alahady 05 Janoary 2014, fahavoriam-be no teo amin’ny tokontany malalaky ny Katedraly noho ny fametrahana amin’ny toerany an’i Eveka Georges Varkey amin’ny maha Mpiandry ondry azy eo amin’ny Diosezy.
Ny lohahevitra nofidin’ny Eveka Indiana voalohany : “FA NANOSOTRA AHY HITORY TENY SOA MAHAFALY” Lioka 4,18
 

rassemblement.jpg

 

 célébration.jpg