Voady voalohany nataon'ireo Soeurs du Christ teto Madagasikara tamin'ny 2024
Faly mandray azy 9 mirahavavy ny Provinsian'i Madagasikara.
Faly indray ny masera ao amin’ny Provinsy malagasy fa nisy sivy mirahavavy ireo zandry tao amin’ny novisia nanao ny voady voalohany tamin’ny fetin’ny nampiakarana an’i Masina Maria any an-danitra. Rahefa avy nanao ny fiomanana am-panahy nandritry ny hateloan izy ireo dia nandray ireo Ray aman-Reniny tonga ho amin’izany fankalazana izany, ny andro mialoha.


Tao amin’ny Lasapely Ambatolampy no natao ny fankalazana ka i Masera Simone Ravaoarisoa, provinsialy no nandray izany tao anatin’ny Sorona masina izay notarihin’ny pretra mpitantana eo amin’ny Eglizy.

Taorian'ny Lamesa, ireo voaasa rehetra toy ny ray aman-drenin'ireo izay voafidy, ireo solontenan'ny paroasinay ary ireo rahavavy sasany avy amin'ny komite sy ireo mpiara-miombon’antoka aminay dia niara-nisakafo izay narahina dihy nentin-drazana.
ISAORANA ANIE ANDRIAMANITRA!
