1976 - 2026: Jobily faha 50 taona
1976 - 2026 Jobily faha 50 taona
miaraka amin'ny Fitokisana, Finoana ary Fanantenana, miasa eo anivon'izao tontolo izao izay sady
mizarazara no miezaka mirona mankany amin'ny Fiombonana, amin'ny tsy fivadihana amin'ny Fanomezam-pahasoavana:
"Sœurs du Christ, Union Mysterium Christi, ankatoavintsika ao amin'ny tantarantsika ny asan’ny
Fanahy izay miantso antsika ho VAVOLOMBELON’I KRISTY FOTOTRA sy MPANATONTOSA ny FIOMBONANA,
Ary avy amin’izany no ampidirana antsika ao amin’ny ivon’ny Fikasan’ ny Ray dia ny :
“Hampivondrona izao Rehetra izao eo ambany Filoha tokana, dia Kristy" (Ef 1,10)
Ilay Andriamanitra Raintsika dia mampandray anjara antsika amin' ny
Fikasany mba hanangona ireo zanany mielipatrana ho IRAY sy ny fisantarana ny FAHARIANA VAOVAO.
Fikambanana
“Miaraka, Andao handeha lavidavitra kokoa” “... dia hanao dingana vaovao amin'ny maha VATANA iray « Sœurs du Christ » antsika isika. Ary hihaino tsy tapaka hatrany ny antso mba "hielipatrana", "hanitatra ny ambaindain’ny lasintsika" ». Miara-miditra ankafaliana lehibe, feno hevibaovao maro, amin'ny fankalazana ny faha-50 taonantsika isika.
Cameroun
Taty Cameroun, tamim-pahavitrihana sy fifaliana no nankalazainay ny fanokafana ny Jobilin’ ny faha-50 taonan'ny Fikambanan’ny Maseran’i Kristy. Ity andro tsy hay hadinoina ity dia nanomboka tamin'ny lanonana fandrehetana labozia mampihetsi-po teo amin'ny fidirana amin'ny fankalazana ny Eokaristia, mariky ny fahazavana sy ny fanantenana, fifaliana lehibe sy fankasitrahana noho ireo taona maro nanompoana sy nanokan-tena ny Fikambanana ato amin'ny Fiangonana sy manerana izao tontolo izao.
Chili
“Ny sabotsy faha-9 aogositra 2025, dia niaina fotoana manan-danja tokoa izahay nandritra ny fankalazana ny fanokafana ny jobily faha-50 taona ny maha Maseran'i Kristy, tao amin' ny Sorona Masina notarihin'ny Kardinaly Fernando Chomali tao amin'ny fiangonana El Divino Redentor”, Santiago de Chile
Europe
Tamin'ny 6 Aogositra, fetin'ny Fiovan-tarehin'i Kristy, taty Eoropa, día maro ireo ankohonam-piainana sy mpiara-miombon’antoka nankalaza ny fanokafana ny Taon- jobiln'ny faha-50 taonan'ny Fikambanan'ny Maseran'i Kristy. Ity zava-mitranga ity día vao mainka mamirapiratra rehefa raisintsika ho toy ny fetin'ny Fikambanana, mandritra ny tantarantsika!
Madagasikara
Tamin'ny 6 Aogositra 2025, día maro ireo ankohonam-piainana, mpiara-miombon’antoka ary mpino niara-nankalaza ny Lamesa manetriketrika nanokafana ny Jobilin’ny faha-50 taonan'ny Fikambanan’ny maseran'i Kristy. Ity fankalazana ity dia niaina tao anatin'ny fanahin'ny fiombonana sy ny fankasitrahana noho ny dingana nolalovana nandritra ny 50 taona lasa teo amin'ny fanompoana ny Fiangonana.
