ASSOCIÉS PRETRA fikambanan’n'y soeurs du christ - MADAGASIKARA — Malagasy

Aller au contenu. | Aller à la navigation

Outils personnels

ASSOCIÉS PRETRA fikambanan’n'y soeurs du christ - MADAGASIKARA

ASSOCIÉS PRETRA

Nanatanteraka ny fivoriany voalohany ny associés pretra ny 6 hatramin’ny 9 septambra 2021, tao amin’ny Providence Antsirabe.

Ny fehezan-teny fanilo na tarigetra ho an’io sampana io dia notsongaina tamin’ny lalàm-pikambanana laharana faha- 12:

« Ny asam-panirahana dia mitantana antsika isan’andro hanao ny an-dram-piainan’Andriamanitra Mpahary sy Mpanafaka amin’izay misy antsika. »

Samy resy lahatra ny mpandray  anjara rehetra fa ny fiombonan’ny fiainana na ny firaisana amin’i Krsity, fototra sy Mpamorona ny maha iray (Ga 2,20, Lalàmpk n°57) ary ny asam-panirahana mahay mankasitraka, mandray, manaja, maneho fitiavana dia maika sy mahakasika ny aina. Mamaritra ihany koa ny maha- isika antsika sy ny fiainantsika izany.

Niainga tamin’izany dia nasaina izahay hijoro ho vavolombelona toy ireo apostoly  : « Izay hitan’ny masonay, ren’ny sofinay no ambaranay anareo  » (1 Jn 1,3).

Ny eokarisita dia singa iray  iorenanan’ny fiainam-panahin’ny pretra Associés  amin’ny  « Misterin’ny Fanekem-pihavanana, fifanakalozana sy fifampizarana, famantarana sy lalivay amin’ny maha iray »,  Manolo-tena ho antsika I Kristy (Lalàmpk., n°59).

 

Mompera Marc Ravelonantoandro,
Talen’ny Oniveriste Katolikan’i Madagasikara, mpitan-tsoratry ny diosezy Antananarivo

Mompera Eric François Ravolarison,
Tompom-paritany Paroasy Md Paoly, Tamatave, Diosezy Tamatave

Mompera  Marc Emilien Ramiandrisoa,
Mpiandraikitra  Distrikan’i  Faliarivo Ampitatafika, Diosezin’Antananarivo

MBA HAHAFANTARANA MISIMISY KOKOA