Hatramin’izay dimampolo taona izay, dia nanohy ny lalana araka izay nirian'Andriamanitra isika,
miaraka amin'ny Fitokisana, Finoana ary Fanantenana, miasa eo anivon'izao tontolo izao izay sady
mizarazara no miezaka mirona mankany amin'ny Fiombonana, amin'ny tsy fivadihana amin'ny Fanomezam-pahasoavana:
"Sœurs du Christ, Union Mysterium Christi, ankatoavintsika ao amin'ny tantarantsika ny asan’ny
Fanahy izay miantso antsika ho VAVOLOMBELON’I KRISTY FOTOTRA sy MPANATONTOSA ny FIOMBONANA,
Ary avy amin’izany no ampidirana antsika ao amin’ny ivon’ny Fikasan’ ny Ray dia ny :
“Hampivondrona izao Rehetra izao eo ambany Filoha tokana, dia Kristy" (Ef 1,10)
Ilay Andriamanitra Raintsika dia mampandray anjara antsika amin' ny
Fikasany mba hanangona ireo zanany mielipatrana ho IRAY sy ny fisantarana ny FAHARIANA VAOVAO.
Tamin'ny 6 Aogositra 2025, día maro ireo ankohonam-piainana,
mpiara-miombon’antoka ary mpino niara-nankalaza ny Lamesa manetriketrika
nanokafana ny Jobilin’ny faha-50 taonan'ny Fikambanan’ny maseran'i Kristy.
Ity fankalazana ity dia niaina tao anatin'ny fanahin'ny fiombonana sy ny fankasitrahana
noho ny dingana nolalovana nandritra ny 50 taona lasa teo amin'ny fanompoana ny Fiangonana.
Rattaché à
1976 - 2026: Jobily faha 50 taona